
Taorian'ny fianarany tany Frantsa, dia namorona, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa tamin'izany, fikambanana nitondra ny anarana hoe " Hôpital des deux hémisphères ", izay nanana tanjona ny hanampy ireo hopitaly malagasy sy handefa fitaovam-pitsaboana sy fandidiana ary fanafody. Betsaka ireo zavatra nisongadina, vokatr'izany asa soa izany, toy ny toeram-pandorana fakon'ny Hopitaliben'Antsirabe, ny fampitaovana ny resaka fandidiana ao amin'io hopitaly io ihany, ary fandraisana anjara tamin'ny fanavaozana ny efitrano fandidiana ao amin'ny toeram-pitsaboana ny olona tra-pahasembanana ara-batana (Centre de Rééducation Motrice de Madagascar) ao Antsirabe.
Nitondra fanampiana ihany koa izy ho an'ireo fikambanana maromaro mpanao asa soa avy any ivelany na miorina eto Madagasikara. Anisan'izany ny fampisehoana nataony ho fanampiana ny fikambanana " Tsarà ", izay mikarakara ireo Malagasy izay marary tratry ny aretin'ny voa na ny " insuffisance rénale ", ary izay i Dadah no filoham-boninahitry ny fikambanana tamin'izany. Fampisehoana nataony koa ho fanampiana ny " AMPR Mada " (Association de Médecine Physique et de Réadaptation de Madagascar).